France : Mpilalao rugby iray no namono ny vadiny rehefa tratrany nifoka sigara ity farany
Mpilalao rugby iraisam-pirenena avy ao France i Mohamed Haouas. Notsaraina ny herinandro lasa teo tao amin’ny fitsarana fanitsiana izy manoloana ny herisetra natao tamin’ny vadiny (violence conjugale). Tao Montpellier tao Hérault no niseho ny tranga. Tratran’i Mohamed Haouas nifoka sigara ny vadiny, teo alohan’ny tranom-barotra Polygone izay toeran’mpiasany.
Tezitra mafy izy noho izany ka nikasi-tanana io vadiny io. Novonoin’ity lehilahy 29 taona ity ilay vehivavy ary nifanenjehany eran’ny tranom-barotra rehefa nitsoaka. Nisy nefa ny « vidéo de surveillance » tao amin’ny tranom-barotra ka nandray andraikitra avy hatrany ireo mpiambina ny toerana.
Manoloana ny tranga dia voasambotra i Mohamed Haouas ary voaheloka higadra herintaona an-tranomaizina na tsy nametraka fitoriana aza ny vadiny. Mety ahazo fahafahana nefa izy saingy tsy maintsy manao « bracelet électronique».
