Nomerika : Tafapetraka eto Madagasikara ny fandaharan’asa « un emploi en 3 étapes »
Sehatra iray efa tena miroborobo fatratra ny sehatry ny nomerika eto Madagasikara. Efa tsy tara fa miezaka ny manaraka ny foronana ihany koa ny Malagasy. Sehatra iray hahafahana mianatra sy miasa ihany koa ny nomerika ka izany indrindra no nahatonga ny orinasa Airtel miaraka amin’ny 10 000 Codeurs France nampiditra ity programa ity.
« Hanentana sy hampiroborobo ny nomerika, hampianatra ary hampiditra ny tanora ho ao amin’ny tontolon’ny asa nomerika no tanjon’ity programa ity. Manana anjara amin’izany I Madagasikara izay manana ny mampiavaka azy manokana satria manan-karena tanora izy. Miaraka amin’ireo matihanina amin’ny fahalalana ny Orinasa, ny faharanitan-tsaina ara-pihetseham-po sy ara-tsosialy (soft skills) ary koa ny fandraharahana dia homanina izy ireo hahay handraharaha amin’ity sehatra ity », hoy ny avy ao amin’ny orinasa Airtel.
« Fanararaotra ho an’ny ankizy sy ny tanora ity programa ity. Hanokatra ny lalan’izy ireo hahay hitady vola amin’ny alalan’ny nomerika ny tanjon’ny programa. Hanampy ny orinasanay hanatratra ny tanjona amin’ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny nomerika ho an’ny tsirairay. Marihina fa maimaimpoana ihany koa ny fisitrahana ny programa », hoy hatrany ny fanazavana.
Maro ireo asa azo atao amin’ny alalan’ny nomerika. Efa maro ihany koa ireo mpisehatra anatin’io fitadiavam-bola iray io. Manana tombony amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ity programa ity ka tokony hararaotina.
Miora Raharisolo
