ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Misy ny asa fanitarana ny efitrano fianarana amin’ny CEG

Misy ny asa fanitarana ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Ambohimanga rova, amin’izao fotoana izao. Mandroso ny asa ary efa ho vita tsy ho ela ny fananganana izany, araka ny voalaza.

« Zava-dehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ny fitondrana fanavaozana sy fanitarana ny efitrano fianarana tahaka izao, indrindra ho an’ny mpianatra, afaka mivelatra sy mianatra anaty velarana malalaka manaraka ny filàn’ny mpianatra mihitsy” hoy I Rodrigue, mpampianatra.

“Hisaorana ny mpianatra sy ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny talen-tsekoly amin’ny ezaka izay ataony ho fanitarana ny efitra fianarana tahaka izao. Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana izao ary manome lanja ny fampianarana” hoy I Vola, ray amandrenin’ny mpianatra.

Sekoly efa niorina an-taonany maro efa nolovain’ny mpianatra maro mifanimby tao Ambohimanga rova ity sekoly ity. Ary ny fanitarana ny efitrano fianarana ao an-toerana izao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny talen-tsekoly sy ireo mahalala tanana nanohana ny fanamboarana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire