ActualitésTatitra

Comores : Manamafy ny toe-karena ny sambo 850 taonina vaovao ny Captain Nas Marine Sarlu

Nanao fanambarana ny « compagnie maritime » Captain Nas Marine Sarlu fa nahazo sambo mahazaka entana 850 taonina indray izy ireo. Captain Nas2 no hiantsoana io sambo io hampitohy an’i Dar es Salaam sy Moroni ary Moroni sy Majunga izany. Manamora ny fifankaloza ara-barotra eo amin’i Comores sy ireo faritra samihafa noho izany io fitaovam-pitanterana an-dranomasina vaovao io.

Nilaza ny tompon’ny orinasa sady kapiteny ao Grande-comore, Nassourdine Youssouf Mbechezi fa hanamafy ny orinasany ary hanatsarana ny tsenam-barotra ao Comores ny Captain Nas2. Marihana fa mpisehatra tokana eo amin’ny tontolon’ny fitanterana an-dranomasina eo amin’ny sehatry ny varotra (armateur) ny tenany.

Laisser un commentaire