Fampitandremana avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara
Ny avy ao amin’ny Banky foiben’ny Madagasikara dia mampahafantatra fa tsy mandefa rohy na mitovitovy amin’izany any amin’ny olona amin’ireny tambajotran-tserasera ireny toy ny Facebook fa fisolokiana ataon’ny olona izany ka mila mitandrina.Anisan’ny ampiasan’ny olona maro amin’ny resaka fisolokiana indray izany izao ny tambajotran-tserasera Facebook, tetsy ho etsy manko dia ireny « operateur” ireny no tena nataony fitaovana (Telma, Orange, Airtel) mandefa « message » fitaka sy fisolokiana, na misy mahavita miantso mihitsy aza. Miha-miakatra mihitsy arak’izany ny kalitaon’ny teti-dratsin’ireo mpisoloky, hany ka hatrany amin’ny BFM aza hanaovany asa fisolokiana. »Raha toa ka maharay rohy hafahafa milaza fa avy aty amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ianareo dia mitandrema, indrindra fa miteny izy hoe mety ahazoana vola ity dia aza manokatra akory ilay rohy, aza liana hijery izay zavatra alefany ao ary aza mandefa ny mombamomba anao any aminy mihitsy, taratasim-bola na kaonty any banky aza lazaina azy akory, ary velomy ny fitaovana fiarovana (anti-pishing) izay afaka alainao ao amin’ny tranokala (site web), fa ny avy ao amin’ny banky foiben’ny Madagasikara dia tsy handefa na hangataka rohy aminao mihitsy” hoy ny tatitra avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara na BFM. »Banky foiben’i Madagasikara izany ve tsy tokony hisy fiarovana avo lenta be, angaha koa moa ny olona ihany no entanina hitandrina fa tsy tokony handray fe-petra amin’ny fikarohana ny mpanao ratsy koa ve izy ireo, tsy voatery ahita ny fampahafantarana ataon’izy ireo anie ny olona ka noho izany tokony tsy hionona amin’ny filazana fotsiny ohatrizao fa mandray andraikitra mihitsy aza » hoy i Tsiory mpampiasa karazana tamba-jotra. »Ny fisolokiana amin’izao mihitsy no efa tsy vofehy intsony, ny olona koa matetika mora mijabaka, rehefa amin’ny tambajotra na amin’ny operateur ireny, dia aleo mitandrina foana, tsy tery lalana ny ratsy ary efa mampiasa tetika avo lenta mihitsy ireny mba ahazoany ny tombotsoany » hoy i Julien, mpahay lalàna.Ny fitandremana no mila atao be, tsy ny dahalo sy mpanendaka ihany no mahamailo fa na any anaty tamaba-jotra koa aza izany dia efa feno ireo mpanao ratsy. Entanina ny tompon’andraikitra misahana izany mba hijery akaiky ary hamongotra ny mpanao ratsy.
Lovasoa Tojonirina
