Tontolo iainana : Fifamindram-pahefana teo amin’ny Ministra teo aloha sy ny Ministra vaovao
Tontosa androany tao Antsahavola ny famindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Tontolo sy ny fandrosoana lovainjafy teo aloha. Nisaotra sy nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy teo aloha rehetra ny Ministra teo aloha.
« Misaotra anareo mpiara-miasa teto amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy aho tamin’ny fifanomezan-tanana nahazoana vokatra tsara. Betsaka ny vokatra tsara azo ary tafapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ny MEDD » hoy i Baomiavotse Vahinala Raharinirina, Ministra teo aloha.
« Namome toky aho fa hanohy ny ezaka efa natao hanatrarana ireo tanjona. Hafainganina kokoa aza ny fomba fiasa. Mila ny fiaraha-miasantsika rehetra hahatongavana amin’izany » hoy i Vina Marie-Orléa, Ministra vaovao. Isan’ny mitondra fandrosoana eo amin’ny firenena tokoa ny firoborobon’ny tontolo iainany. Antenaina hatrany ny fandrosoana eo amin’izany sehatra izany.
Nicole Rafalimananjara
