ActualitésTsidika

Tontolon’ny fanabeazana : Nahazo « tablettes numeriques» avy amin’ny OIF ny mpianatra
Tontosa soa aman-tsara tao amin'ny biraon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena izay nosolon'ny Ministra tena sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ao amin’ny Frankofonia na ny OIF nosoloin'ny ambasadaoro eto Madagasikara tena, Léonard-Emile Ognimba. 
Misesisesy ireo fiaraha-miasa ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa maro ireo fanatsarana ezahana aparitaka eny anivon’ny sekoly maro, indrindra ny amin’ny fampidirana fitaovana teknolojika afahana mifehy kokoa ny taranja siantifika. Ity indray kosa fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ao amin'ny Frankôfônia (OIF). «Tablettes numeriques» no fitaovana nentin’izy ireo hanampiana ny mpianatra Malagasy ary hozaraina manerana ny sekoly rehetra manerana ny Nosy ireto « tablettes» ireto. 
"Hita ny ezaka ataon'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny fitondram-panjakana hanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana eto amin'ny firenena. Hita taratra ny fanomezan-danja ny ara-nomerika eny anivon'ny sekoly ka izany no anisan'ny nanomezana izao fanampiana izao", raha ny nambaran'ny ambasadaoron’i OIF. Nampiseho ny fahavononany hatrany kosa ny Ministra hanohy izany ezaka izany satria "tsy mijanona amin'ny fanomezana fotsiny ihany ny fifanarahana fiaraha-miasa fa mbola misy ihany koa ny fijerena ny entina manatsara ny fomba fianarana teny frantsay izay teny iombonana amin'ny OIF nefa mbola hita ny lesoka eny anivon'ny mpianatra. Izao fanaovan-tsonia izao dia milaza sahady ny fiaraha-miasa matotra amin'ny fanatsarana izany lesoka izany", hoy kosa ny Minisitra, nanazava. 
« Efa manao ny ezaka maro ny Fitondrana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara. Anjaran’ny mpianatra sisa ny misafidy ny hanararaotra amin’ny fampianarana na tsia » hoy Noro, mpampianatra.
«Tokony asiana ny fanaraha-maso ifotony amin’ny fanapariahana itony fitaovana itony fa misy ireo talen’ny sekoly sasany no tsy mampiasa izany amin’ny fampianarana ao am-pianarana akory fa bodoiny ho azy fotsiny ihany. Efa imbetsaka izahay no naheno fa nahazo fitaovana vaovao ny sekoly kanefa rehefa anontaniana ny zaza milaza ho tsy mahafantatra izany» hoy kosa ny ray aman-drenin’ny mpianatra.
Efa tena mivelatra eo amin’ny ara-nomerika tokoa raha ny tontolon’ny fampianarana ankehitriny. Porofo izany fa efa eo an-dalam-pandrosoana i Madagasikara eo amin’ny sehatrin’ny fanabeazana. Azo heverina tsara ny hahatafita sy hahalasa lavitra ny ankizy sy tanora Malagasy amin’ny fahamaroan’ny fitaovana arifomba efa natolotrin’ny Fanjakana. 
                                                                                           Tsangy Randriamampianina 

Laisser un commentaire