ActualitésTsidika

Mahatoky ny Minisitry ny fitsarana vaovao sisa ireo mpandova ny tany any Antanandrano

Efa in-droapolo izay no niakatra fitsarana ny ady tany teo amin’ny orinasa Telma sy ny mpandova ny tany any Antanandrano. Nivoaka ho mpandresy foana ireo mpandova saingy mbola mampanontany tena ny mbola ampiakarana ny raharaha eny amin’ny ambaratonga fototra indray na dia efa nisy aza ny didy tsy azo ivalozana.

«Mahatoky ny fahendren’ny Ministra vaovao izahay ary manantena hahazo ny rariny hatrany na dia efa ho lava aza ity fiakarana fitsarana ity» hoy ireo mponina mpandova ny tany. «Ny mpitandro filaminana no atao biby fampitahorana, miaro ny vahiny maka ny tany fa tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany» hoy i Félicien, mpahay lalàna. «Mandeha ny asa ataon’ireo orinasa matajaka amin’ny tanin’ny vahoaka ary mangataka ny hanatsaharana izany izahay rehetra fa tsy ireo mpandova irery akory ho firaisan-kinantsika samy Malagasy» hoy ny sefo fokontany Antanandrano.

Tsy isika Malagasy tokoa ve no tokony hifampiaro voalohany ? Nahoana no omena hanjakan’ny vahiny mpanambola ny lova ? Antenaina ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Ministera mpiahy napetraka hiaro ny fanjakana Malagasy sy ny vahoakany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire