ActualitésTsidika

Alasora : Nanao fitsidihana voalohany ny foibe fitsarana fiarakodia ny tale jeneraly misahana ny ivon-toerana

Tonga teny amin’ny ivon-toerana fitsarana sy fandraisana ara-teknika ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia, tamin’ny alarobia teo. Nijery ny fomba fiasa sy ireo foto-drafitr’asa natsangana teny an-toerana ny tenany nandritra izany. 

« Nidina ifotony voalohany teny amin’ny ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (Centre de sécurité routière) sy ny Ivon-toerana Fandraisana ara-teknika (Centre de Réception technique) tety amin’ny Bypass alasora tamin’ity anio ity ny tale jeneraly, ho fanombohany ny fandraisany ny asa amin’ny maha Tale Jeneraly sy maha tompon’andraikitra azy voalohany ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, ka nijery ny fomba fiasan’ireo mpiasa sy ireo foto-drafitrasa natsangana sy nasiana fanavaozana hametrahana ny Ivon-toerana ho fitaratra na Vitrine By-pass » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ny asa natomboka dia tsy maintsy vitaina ahafahan’ny foibe fitsarana fiarakodia manatsarana ny kalitao ny asa ary ny tamberin’andraikitra omena ny mpanjifa. Hitohy ivelan’Antananarivo izao fidinana ifotony izao » hoy hatrany ny fanazavana.

Miandry sy manantena ny fihatsaran’ny asa ho tsara kokoa hatrany avy amin’ity tale vaovao ity ireo mpisehatra amin’ny fitaterana. Anisan’ny tena andrasan’ny maro ny mahakasika ny fijerena manokana ny saran’ny fanaovana fitsirihana na ny droit de visite technique.

Laisser un commentaire