Russie : Miantso ny vahoaka ho amin’ny « fitiavan-tanindrazana » i Vladimir Poutine
Niantso ny vahoaka rosianina haneho ny fitiavan-tanindrazana, amin’ny alalan’ny fandehanana mifidy ny filoham-pirenena ao an-toerana, Vladimir Poutine. Izany fifidianana filoham-pirenena izany moa dia atao anio 15 ka hatramin’ny 17 martsa. “Miantso anareo aho mba handeha hifidy sy haneho ny maha olom-pirenena, maha olon’ny tanindrazana. Fidio ny kandida izay hitondra ho avy mamiratra ho an’i Rosia malalantsika ity” hoy ity filohan’i Russie ity, tao anatin’ny horonantsary izay nalefa tamin’ny fahitalavi-panjakana any an-toerana. « ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana anio dia anisan’ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana » hoy hatrany izy nanampy. Nohentanin’ity filoham-pirenena ity ho amin’izany fifidianana izany ihany koa moa ireo faritra « annexe » i Ukraine, mba hiray hina sy hamaritra ny ho avin’i Russie amin’ny latsa-bato.
