ActualitésTatitra

Comores : Nisitraka fiofanana telo ireo mpanazatra eo amin’ny taranja baskety

Nikarakara fiofanana telo ho an’ireo mpanazatra misehatra eo amin’ny taranja baskety ny FCBB (Fédération comorienne de basketball). Nanomboka ny 20 novambra teo ny fiofanana voalohany, nitohy ny 29 sy ny 30 novambra teo izany ary notontosaina omaly 4 desambra ary mbola hitohy ny 9 desambra izao ny fiofanana fahatelo.

Ny mpampianatrin’ny Fiba mauritanien, Amadou Moustapha Keita no nitarika ireo fiofanana ireo. Hisy ny adina ahafahana miditra amin’ny « Niveau1 Wabc » aorian’izany. Nahatratra 45 kosa ny mpandray anjara tamin’ny fiofanana hatreto ary vao nanomboka nanazatra ny 30 tamin’ireo.

Laisser un commentaire