ActualitésTsidika

Torohevitra: Fanadiovana ireo kojakoja vita avy amin’ny hoditra

Anisan’ny zavatra mila fikarakarana hatrany na dia vita avy amin’ny hoditra aza ny lamba na ny poketra vita amin’ny hoditra. Rehefa entina na hanaovana matetika izy ireny na tratran’ny andro sy ny amandoana dia miova tsikelikely ny kalitaon’izy ireny. Misy ny lasa vasoka, misy ihany koa ireo lasa makiana.

Ankoatra ny fampiasana ireo akory fanosotra amin’ny hoditra, izay efa fampiasa amin’ny andavan’andro ireny, dia misy ihany koa ireo fikarakarana amin’ny fomba natoraly azo atao ho fikojakojana azy ireny. Sady tsotra no tsy mandany fotoana ihany koa. Voalohany indrindra,  ny fampiasana ny voasarimakirana. Alaina ny voasarimakirana iray ka silahana roa, iny avy hatrany no ahosotra amin’ny lamba na kiraro na poketra vita amin’ny hoditra tiana hiverina hamiratra. Avela ho maina eo ary hita avy hatrany fahiverina hamiratra sy hadio ireo kojakoja ireo.

Ankoatra izay azo atao ihany koa ny mampiasa ny “glycérine”. Mila vovondandihazo azo indray ny fampiasana azy eto. Asina “glycérine” ny vovondandihazo ka iny no hikosehana ireo hoditra tiana hadio.

Ny rano ihany koa dia azo ampiasaina amin’ny fanadiovana ireo hoditra. Mazava ho azy, tsy dia fanasa loatra ny zavatra vita amin’ny hoditra, saingy azo atao ny maka voro-damba malefaka ka lemana amin’ny rano kely, iny avy eo no hamafana ny kiraro na ny poketra na ny akanjo vita amin’ny hoditra izay.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire