ActualitésTsidika

Alasora: Mangataka vahaolana maharitra mahakasika ny fahatapahan-drano ny mponina

Mitohy hatrany ny olan’ny tsy fisian-drano eny amin’ny fokontany maro ao amin’ny kaominina Alasora. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, fokontany tsy latsaky ny telo no voakasiky ny fahatapahan-drano; anisan’izany ny fokontany Alasora, Miadana, Antanety ary Idoho. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny jirama ireo mponina manoloana izany.

“Angatahana ny eo anivon’ny Jirama mba hitondra fanazavana mahakasika ny fahatapahan-drano lavareny amin’ireo toerana ireo. Angatahina ihany koa ny hitondranareo vahaolana maharitra ho an’ny olan’ny rano » hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Tsy vahaolana vonjimaika intsony no ilain’ny mponina satria tena mihatra aman’aina ny tsy fisian’ny rano ety an-toerana. Voatery miandry, tsy matory mandritra ny alina, miandry ny fiverenan’ny rano izahay. Ka mangataka ny hametrahana vahaolana maharitra satria tena mijaly ny mponina” hoy i Mariette, mponina ao Alasora.

Aina ny rano ary mamelona. Tsy afa-miaina tsy misy rano ny mponina. Ilaina ny fijerena vahaolana mahakasika izany, indrindra fametrahana tetik’asa hisitrahan’ny daholo be rano.

Manitra R.

Laisser un commentaire