Comores : Hampitomboana ny fampiasam-bola amin’ny fizahan-tany
Nisarika mpizaha tany vahiny 45 000 isa i Comores ny taona 2019. Nilaza ny talen’ny nasionalin’ny fizahan-tany ao an-toerana, Marie Attoumane fa tamin’io taona io dia nitondra 31 miliara Francs Comoriens izay 6% ny harin-karena faobe ny sehatrin’ny fizahan-tany tao amin’ny nosy.
Tokony mbola hiakatra io isa io hoy io tompon’andraikitra. Mbola manakatolotra maro i Comores izat manana torapasika maro an’isa noho i Maurice sy Seychelles mitambatra hoy izy. Manoloana izany dia laharam-pahamehana ho an’ireo tompon’andraikitrin’ny fizahan-tany ao amin’ny nosy ny fampiakatrana ny fampiasam-bola jho an’io sehatra io. Napetrak’izy ireo ho lohalaharana ao amin’ny drafitra fampandrosoana « Comores émergent » izany.
