SocialTatitra

Canada : Hain-trano goavana tao Rawdon, zokiolona 160 voatery niala tamin’ny fonenany.

Voatery noroasina vonjimaika tamin’ny fonenany ny zokiolona manodidina ny 160 ny alahady 07 martsa taorian’ny fiongatry ny afo tao amin’ny trano fisotroan-dronono iray tao Lanaudière, Quebec. Tsy nisy ny aina nafohy saingy mbola eo ny fikorontanana ara-tsaina misy eo amin’ireto zokiolona tao amin’ny trano Sainte-Anne, Rawdon ireto. Tsy nanam-potoana hanangonana entana akory izy ireo raha navoaka ny tranony tokony ho tamin’ny 5 maraina ny alahady 07 martsa teo. Mpamono afo zato teo ho eo avy ao Rawdon sy tolotra mifanila aminy no tonga namono ny afo, ary mbola nitohy hatramin’ny folak’andro izany. Ny teo amin’ny afovoan’ny trano no tena lasibatry ny afo raha ny fanazavana. Tamn’io fotoana io ihany koa, nanambara ny CISSS ao Lanaudière fa tsy misy afaka miverina amin’ny efitranony ireo zokiolona tsirairay avy. Manodidina ny 40 amin’izy ireo arak’izany no noraisin’ireo finakaviany an-tanana, 65 kosa no nafindra tany amin’ny hotely. Manodidina ny 56 ireo tsy maintsy nafindra tamina toeram-pitaizana be antitra hafa ao amin’io faritra io. Tsy maintsy noravan’ireo mpamono afo ny tapany afovoan’ny fonenan’i Sainte-Anne izay ampahany tranainy indrindra amin’ilay trano. Na eo aza ny fahanteran’ny fotodrafitr’asa, saingy mbola nahazoana alalana sy voamarina ny fampiasana azy, efa ho zato taona ity trano fonenan’ny be antitra ity ary izao potiky ny afo tanteraka izao. Mbola tsy fantatra mazava hatreto izay antony mety nahatonga ny fahamaizana hoy ireo manam-pahefana ao Rawdon.

Laisser un commentaire