PolitiqueTatitra

Tchad : Hikarakara fifidianana ho filoham-pirenena.

Hikarakara fifidianana ho filoham-pirenena i Tchad amin’ny 11 Aprily ho avy izao. Tsy fantatra mazava ny isa faran’ireo hilatsaka ho fidiana aloha hatreto.  Amin’ny an-kapobeny, 10 ireo nekena ny antotan-taratasiny. Isan’ireo hilatsaka i Theophile Bongoro, isan’ireo mpanohitra. Maniry ny mba hizoran’ny fifidianana amin’ny an-tsakany sy an-davany izy ary tiany raha mba hisy fandaminana tsara sy fenitra manaraka ny fifidianana io andro io. Fa etsy an-kilany, mitodika amin’ny raharaha nanenjehana sy ny handrana fisamborana an’i Yaya Dillo ny politika amin’izao. Tranga niseho ny 28 febroary lasa teo noho ny hetsika fanoherana nisy. Nolazaina fa manohitohina ny filaminam-bahoaka izany ka lasa nahatonga an’i Dillo tsy ho ekena amin’ny filatsahana ho isan’ireo hofidiana ny alarobia 03 martsa lasa teo. Nilaza izy fa tsy manana fahafahana hiaro tena amin’izao raharaha fanenjehan’ny governemanta azy izao. Miandry ny tohiny ny vahoaka any an-toerana raha isan’ireo ho fidiana ihany i Yaya Dillon na tsia.

Laisser un commentaire