Etats-Unis : Lehilahy iray no nohelohana ho faty tao Texas
Nohelohina ho faty ny talata teo, teo amin’ny faha-51 taonany i Gary Green. Ny taona 2010 izy no voaheloka ho faty rehefa nitsatok’antsy ny vadiny. Efa nanempotra ny zanany 6 taona tao anatin’ny « baignoire » ihany koa izy tao Dallas, herintaona tao alohan’izany tranga izany. Raha ny fantatra dia nahazo taratasy fisarahana avy tamin’ny vadiny i Gary Green ny marain’ny tranga. Namaly izy tamin’izany fa ainy dimy no ho alatsany manoloana izany.
Ny zanaky ny vadiny 9 sy 12 taona ny olona roa hafa norahonan’i Gary Green hovonoina tao amin’io valin-teniny io saingy tsy nanatanteraka izany izy. Efa nikasa namono tena tamin’ny alalan’ny fihinana fanafody kosa io raim-pianakaviana io saingy tsy maty.
Efa nihezaka kosa ny mpisolovava an’i Gary Green nanafoana ny fanamelohana azy ho faty tamin’ny alalan’ny fanehoana fa manana olana ara-tsaina sy fahatarana izy saingy tsy nahomby izany. Marihana mantsy fa voararanan’ny fitsarana tampony ny manameloka ho faty olona tsy mahatakatra ny hevitry ny saziny.
