ActualitésTsidika

Fahasalamana : Niampy 40 ireo « inspecteurs d’hygiène » eto Antananarivo

Dépêche 08 juin, 11h, Niampy olona miisa 40 ireo « inspecteurs d’hygiène » miasa eto Antananarivo raha 55 izy ireo no efa am-perin’asa teo aloha. Ny manodidina ny fikoloana ny fahasalamana izay tafiditra ao anatin’ny fehezam-pitsipika Monisipalin’ny Fikoloam-pahasalamana (code municipale d’hygiène) no hiseharan’izy ireo. Ny tanjona amin’izany dia ny fampihenana ny loto sy ny fanomezan-danja ny fahadiovana ho antoky ny fahasalaman’ny tsirairay. Andiany « Hasina » no anaran’ny indray mihira nosafidian’izy ireo izay nanaraka fiofanana samihafa hanatrarana izany tanjona lehibe izany.

Laisser un commentaire