Kolontsaina : Mampanantena seho miavaka etsy Mahamasina i Maitre Gims
Mampanantena seho miavaka ho an’ny mpankafy izany mpankanto Maitre Gims izany ireo mpikarakara ny hetsika. Voalohany izao fahatongavan’ity mpanakanto eto Madagasikara izao ity. Anisan’ny efa nandrasan’ny maro ny fahatongavany izay nahemotra hatrany noho ny antony ara-teknika.
« Efa ela no nanomanana ny hetsika ho an’ity mpanakanto Frantsay ity. Hotanterahina ny 10 jona izao ny fampisehoana izay hatolony ho an’ireo Mpanakafy etsy Mahamasina. Hanomboka amin’ny 6ora hariva ny fampisehoana izay hialohavan’ny mpanakanto malaza avy eto an-toerana. Ho hita ao anatin’izany i Mr Sayda, Ceasar, Nael sy ireo hafa nasaina. Efa miparitaka ihany koa amin’izao fotoana izao ny karatra fandraisana anjara », hoy ireo mpikarakara.
« Fotoana iray tena miavaka ity fotoana ity satria mpanakanto manana ny lazany izany Maitre Gims eo amin’ny tontolon’ny gadona Rap. Izany indrindra no hanatanterahana ny tolotra miavaka mba ho fahafaham-pon’ny tsirairay. Afaka mandray anjara avokoa araka izany ny olona rehetra. Ato aminay izao misy lalao hahazoana tapakila « fanzone » 50 000ariary », hoy ny avy ao amin’ny toeram-pivarotana Wear Me.
Manomboka amin’ny 25 000 ariary ny tapakila, izay efa miparitaka ary efa azo jifaina foana. Hanomboka amin’ny 6ora hariva kosa ny seho etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Miora Raharisolo
