Publilius Syrus : Natao hampandroso ny hevitra
Ny olona tsirairay avy no tsy maintsy manana hevitra amin’ny ankapobeny, satria izany no efa voajanahary ao aminy. Amin’ny alalan’ny saina natao hikarokaroka no ahafahana mahazo izany hevitra izany. Vokatra roa no mety aterak’izany : ny fandrosoana sy ny fahaverezana.
Rah any tokony ho izy, natao hampandroso foana ny hevitra iray, izany hoe hirosoana mankany amin’ny tsaratsara kokoa. Kanefa raha ny zava-misy sy ny tsapa ankehitriny dia misy mampiasa izany amin’ny ratsy ka antony mitarika azy ho any amin’ny fahaverezana. Antony ilàna ny hevitra iray anefa ny firosoana ho any amin’ny dingana manaraka. Raha sendra olana ihany koa ohatra dia afaka mitady izay hevitra izay mba hipoiran’ny vahaolana. Maro ny anjara asan’ny hevitra eo amin’ny fiainan’ny tsirairay noho izany ka anjaran’ny tsirairay no mampiasa azy ho amin’ny tombontsoany manokana. Maro ny olona no mangataka hevitra amin’ny hafa rehefa ilainy sy fantany fa tsy ampy ny hevitra avy amin’ny tenany manokana. Ireo olona manan-tsaina sy lalin-tsaina ihany anefa no mahay mampiasa izany raha ny tokony ho izy.
« Matetika rehefa hanao vina na hanao zavatra iray no tsy maintsy mangataka izany hevitra izany. Tena ahazoana tombontsoa tokoa izany raha fetsifetsy ilay olona » hoy i Francia, mpandraharaha. « Tsy midika hoe tsy fetsy sy tsy lalin-tsaina kosa izy ireo raha tsy mampiasa ilay hevitra natolotra, fa mitady izay tena mety amin’izy ireo. Tsy voatery ho hendry foana arak’izany ireo izao hanolorana hevitra ka manaraka izany » hoy kosa i Bernard, mpandraharaha.
Milaza anefa i Publilius Syrus eto hoe « betsaka ny olona mahazo torohevitra. Ny hendry ihany no mahazo tombony amin’izany ? » Mifono hevitra mafonja sady lehibe izany teny izany raha mandinika isika. Azo hisainana tsara ny toe-piainan’ny olona tsirairay izany.
Mila lalin-tsaina ny tsirairay mba ho azo heverina ho toy ny hendry avokoa ka hahay hanararaotra ny torohevitra azo. Saingy ilàna fandinihina avokoa ny zava-drehetra mba tsy hanenenana. Noho izany, ireo izay tsy mampiasa ny torohevitra azony tamin’ny hafa ve arak’izany dia adala avokoa ? Tsy maintsy tokony hampiharina eo amin’ny fiainana ve ny torohevitra rehetra azo ?
Miangaly Rasoamihajamanana
