Ambohimahatsinjo : Tanànan’ny mpamboly sy ny mpiompy eto Antananarivo
Fokontany iray ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola, izany hoe ato anatin’ny distrikan’ny Antananarivo Avaradrano, izany atao hoe « Ambohimahatsinjo » izany. Tanàna miorina an-tampokavoana izy, ary ny mampiavaka azy dia izy voahodidina fokontany amin’ny kaominina hafa.
Ny fokontany Betafo izao, izay ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely, dia mifanakaiky aminy eo. Ao koa ny fokontanin’Ambohitsimiova, izay ao anatin’ny Kaominina Ambohimalaza, ary ny fokontanin’Ambohidrazana, izay ao amn’ny kaominina Anjeva. 17 km miala ny renivohitr’i Madagasikara no misy ny fokontanin’Ambohimahatsinjo raha manaraka iny lalam-pirenena faharoa iny.
Ny fambolena sy ny fiompiana no tena foto-piveloman’ny mponina. Raha ny fanazavan’ny sefo fokontany aza dia « ny eo ho eo amin’ny 90% amin’ny mponina dia mpamboly sy mpiompy, amin’ny maha tanana ambanivohitra azy ».
Raha ara-tantara dia manmarika ny tantaran-dRalambo i Ambohimahatsinjo : « niainga teny Alasora, handeha hiteraka eny amin’ny reniny eny Ambohitrabiby ny renin-dRalambo rehefa nanana olona teo lafiny fananan’anaka. In’enina nitondra vohoka sy niteraka mantsy ity farany fa tsy nisy nety avokoa na maty. Ny fanim-pitony kosa dia nanapa-kevitra izy fa ho eny amin’ny ray aman-dreniny no hiteraka. tamin’io fotoana io anefa dia nandalo teny Ambohimahatsinjo ny tenany. niala sasatra izy, fa miaramila mpiambina no nonina tao. Rehefa nitazatazana ny vohitr’Imerina teo izy dia nahita fa mahatsinjo ny lavitra ity toerana ity ka raitra teo ilay anarana hoe Ambohimahatsinjo » Hoy ny fanazavan-dRija, mponina ao an-toerana.
Tsy lavitra an’Ambohimahatsinjo koa no ahitana ny toerana hoe « Ambohibaoladina », ary rehefa nandeha nitohy ny dian’ny vadin’Andriamanelo dia nijanona indray teo, ary teo no teraka Ralambo, misy tsangam-bato iray mbola mipetraka ao an-toerana. Efa tamin’izany, ary mbola maharitra hatramin’izao. Rehefa teraka anefa izy dia nandefa iraka ny rafivaviny hamono ny zanany, ka sendra nisy lambo iray nandalo niakatra io vohitra io, rafitra nanenjika io lambo io ireo maramila nikasa ny hanao ratsy ka teny Ambohimangakely vao tratra ilay lambo. Raha ny finoan’Andrimanelo dia io lambo io no nahafam-paditra ny zanany, ka dia izay no nahatonga ilay anarana hoe « Ralambo ». Ilay tsangam-bato indray kosa dia natsangana mba ho marika fa teo no teraka ny mpanjaka Ralambo.
Feno tamboho be ao an-tanàna, ary anisan’ny endriky ny tanàna mihitsy. Misy mpihavy ny mponina ao, fa misy koa ny zana-tany koa. Misy taranaka olona avy any Portugal nonina tao fahiny koa aza ao an-toerana. Misy tanim-bary midadasika ao an-toerana, ary ahatsiarovana ny tantaran’Andrinakotriana mihitsy aza, hoy i Paulette zokiolona ao an-tanàna. « Nisy ny mosary tamin’ny vanim-potoana fahiny, ary nandeha nitady vary tany amin’ny fianakaviana Andrianankotrina. Tsy nanome ireo havany ka nanao ady an-kafetsena izy : akoho no nomen’ny havany azy ary nasainy nihinana vary teo an-tokontanin’ireto havany ilay akoho nadram-piresany. Rehefa handeha kosa izy dia nosafoiny tamin’ny lambany ny vary nihahy ka nanaraka ny sasan-tsasany. Rehefa lasa izy dia notatahany ny tendan’ilay akoho, ary nalainy ny vary tao, ary nangoniny ilay tamin’ny lambany. Kely iray tanàna ny vary azo, saingy vao tonga dia nafafy nambolena ka nisy nohanin’ny mponina ihany rehefa niakatra.
Ny jiro no olàn’ny mponina. Ny Jirama anefa ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola, fa dia azo lazaina ho maizina am-pototra ny jiro ihany ny mponina ka mba fanirian’izy ireo sy hetahetany ny hisian’ny jiro hanerana ny tananan’ny Ambohimahatsinjo.
Anisan’ny fahafinaretana ho an’ireo mponina ao an-toerana koa ny fisian’ny olona mananagana foto-drafitr’asa ao an-toerana ka mitondra fampivoarana ho an’ny fokontany.
Lovasoa Tojonirina
