ActualitésTsidika

M’vola : Manohana mpandraharaha amin’ny sehatra maro

M’vola, sehatra iray ao amin’ny Telma Madagaiskara. Fomba iray manana tanjona ny hanamora ny fahazoana vola, izany hoe fandefasana sy fanagalana vola, eo ihany koa ny fitahirizana ny vola. Hatramin’ny taona 2010 nihorenany ka hatramin’izao dia tsy mbola mitsahatra mivoatra hatrany asan’izy ireo. Anisan’ny asa hataon’izy ireo ihany koa ny fanohanana ny mpandraharaha amin’ny sehatra rehetra tsy an-kanavaka.

Maro ireo tolotra ao anatin’ny M’vola ahafahana manohana na mivantana na an-kolaka ny mpandrahara. Anisan’ny azon’ny olona rehetra atao ary azon’ny mpandraharaha atao ihany koa ny mandray vola avy any ivelany amin’ny alalany, eo ihany koa ny fandefasana sy fandraisana vola eto an-toerana. Raha mila fahana ihany koa dia azo atao ny mampiditra ziany amin’ny alalan’ny vola tahiry ao anatin’ny m’vola. Efa ekena maneran-tany ny m’vola amin’izao fotoana izao ary tena azo antoka ny fampiasana azy. « Tsy misy tokony atahoran’ny mpandraharaha araka izany ny tolotra rehetra fa afaka manampy azy ireo hatrany indrindra mahakasika izany vola hampiasaina izany », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny M’vola.

Mivoatra hatrany ny M’vola izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana. Mora ampiasaina ity tolotra M’vola ity ary mety amin’ny finday rehetra.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire