ActualitésTsidika

Masindray:  Mila jerena ireo andrin-jiro mety hampidi-doza

Maro ireo andrin-jiro efa tsy manaraka ny fenitra intsony, ary ahiana mety hampidi-doza ho an’ny fiarahamonina, raha tsy misy fandraisana andraikitra. Ao amin’ny fokontany Antaramanana, kaominina Masindray, andrin-jiro iray no nidaraboka ka saika nahavoa mpandalo, araka ny voalaza.

« Tena lo, motraka ilay andrin-jiro ka nidaraboka fotsiny.  Azo hanaovana fitarainana izy itony mba hanongotana azy rehefa hita fa hampidi-doza ho an’ny fiaraha-monina » hoy ny mpitandrina iray avy ao an-toerana.

« Tena maro ireo andrin-jiro mety hampidi-doza ety, tokony ho jeren’ny tomponandraikitra. Eny amin’ny lalana mihazo ny tanàna ihany koa dia ahitana fil mitarozaka amin’ny tany. Efa ela izy io no teo kanefa tsy mbola nisy ny fanamboarana » hoy i Hanitra, mponina ao Masindray.

Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra araka izany ny mponina ao an-toerana, ary miandry ny fandraisana andraikitra hisorohana ireo loza samihafa.

Laisser un commentaire