Ankadikely Ilafy : Napetraka ireo siniben-drano hamatsy rano ny mponina
Misedra olan’ny rano efa tao anaty fotoana maro ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Amin’izao fotoana, misy ny « bonbonne » na irony siny lehibe irony, mamatsy rano ho an’ny mponina ao an-toerana.
« Mijaly rano ny olona ety amin’ny faritra. Tsy mbola anatin’ny fotoanan’ny main-tany isika, dia efa sahirana ny jirama amin’ny fitsinjarana ny rano ho an’ny mponina. Ankoatra ny tsy misy rano anefa, fa mbola tsy madio ara-pahasalamana ihany koa ny rano ka ilàna fitandremana ny fampiasana azy» hoy i Noro, renim-pianakaviana.
« Mila ampangotrahana foana ny rano vao sotroina satria maloto ary misy faikany tsy hita maso ireny rano ireny mety hankarary raha tsy mitandrina. Na avy aiza na avy aiza ny loharano nahazoana ny rano dia ilaina hatrany ny fitandremana sy ny fitandrovana ny fahasalamana » hoy i Maharo, mpitsabo.
Anisan’ny vahaolana nentin’ireo tomponandraikitra ny famatsiana rano amin’ny bonbonne, isaky ny fokontany sy ny faritra. Hatraiza anefa ny fetran’ny fampiasana azy ireny ary mandraparahoviana ?
