Misedra olana ny fanamboarana ny RN44
Ankoatra ny fahalaviran’ny làlana amboary dia olona sedrain’ny mpanamboatra ny RN44 ihany koa ny fisoparana misy any an-toerana. Misedra tsy fahandriam-pahalemana ny asa ankehitriny ka fangalarana na fanimbana ireo singa entina manamboatra ny làlana sy ny fitaovam-piasan’ny orin’asa no ataon’ireto olon-dratsy.
Raha tsiahivina dia 66 % ny asa ampahany voalohany no vita izay miainga eo Marovoay hatreto Amboasary ka mety hitarika fahataran’ny fahavitan’ny asa izao tranga izao. “Fitaovana maromaro ny lasan’ireto olona ireto toy ny fitotoana vato, vy aro-fanina amin’ny tetezana, ny solika sy ny motera” hoy I Rafamantanantsoa Léon eo anivon’ny Kaominina Morarano Gara. Nanamafy izy fa “ho tara ny asa ary mety hitsahatra mihitsy izany raha mbola tsy tomombana ny fahandriam-pahalemana”.
Mba hiadiana amin’izay kosa dia efa nandray fepetra ireo tompon’andraikitra ifotony sy ireo mpiandraikitra ny fandriam-pahalemana amin’ny faritra lalovan’ny RN44. “Hofongorina hatramin’ny fakany ireo mbola mikasa hisakana ny tetikasa” hoy ny kapiteny Razafimamonjy Jean Richard, kaomandan’ny kaompania Moramanga. Ho hapetraka ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ary hoamafisina ny fanarahamaso raha ny fanazavany.
Efa andrasain’ny maro ny fahavitan’ity làlana ity noho izy miasa betsaka amin’ny fampiakarana vokatra. “Lalaovin’izy ireo mihitsy ny fanamboarana ny làlana” hoy kosa ny fanehon-kevitr’i Pasy mpamily mpitatitr’entana. Raha ny hita dia efa sy andrin’ny be sy ny maro intsony ny fahavitan’ity RN44 ity.
Hasina Rasamimanana
