Sakafo : Andeha hanamboatra glace
Tsy vitsy ny olona tia mikarakara sakafo, indrindra ho an’ny zanany. Lasa fialamboly mihitsy aza izany, ary avy eo lasa fidiram-bola. Ao anatin’ny vanimpotoanan’ny hafanana isika izao na dia mandalo aza ny rivo-doza. Andeha hianatra ny fanamboarana glace toy ireny any amin’ny trano fisakafoana ireny.
Ireto avy ny akora ilaina : crème liquide na hoplà 500 ml, atody 5, siramamy 1, 5 kaopy, sokola na vovona vanilla.
Ahoana ny fanamboarana azy ? Kapohina ny crème liquide mandrapahazoana Chantilly. Atao ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra. Kapohina ihany koa ny tamenak’atody 5 ary kapohina mitokana ny tapotsiny sy ny siramamy. Atambatra amin’izay ilay Chantilly sy tamenak’atody ary kapohana tsara. Rehefa vita izay vao arotsaka ilay tamenak’atody sy siramamy nafangaro. Kapohina tsara hatrany izy rehetra. Atao ao anaty fasiana araka izay misy amin’izay, izay vao arotsaka ny sokola na vovona vanilla. Atao ao anaty vata fanavainganana mandritra ny 1 andro izany.
Faly ery ny ankizy sy ny tanora raha hanamboarana glace toy ireny any amin’ny trano fisakafoana malaza ireny.
Nicole Rafalimananjara
