ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Fandraketana ny karinem-pokontany ao anaty teknolojia

Hisy ny fanisana ny mponina ao anaty ny Fokontany 18 mandrafitra ny kaominina Ankadikely Ilafy. Izany dia ho fanambohana sahady ny fanaovana « digitalisation » ny karinem-pokontany.

« Efa nankinina tamin’ireo sefom-pokontany ny fametrahana ireo lamina rehetra ahafahana manatanteraka izany. Nanomboka ny 22 febroary, ka hifarana ny 13 martsa, ny fanisana ny mponina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tsara raha mamaly amin’ny alalan’ny zava-misy marina ho amin’izay fanontaniana apetraka ny mponina. Izany dia ho entina hanatsarana hatrany ny kaominina antsika » hoy ny ben’ny tanàna Rajaonah Rija. Ho entina hanamorana ny fidirana amin’ny fandrosoana no hanaovana ny « digitalisation ». Irariana mba samy hisitraka ny fandrosoana aterak’ity fanavaozana ity ny isan-tokantrano. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire