Tontolo iainana : Laharam-pahamehana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara
Namoaka torolalana ho an’ireo mpitondra tetik’asa fandrakofana ala i Alamino. Voarakitra ao amin’ity antontan-kevitra ity ireo fenitra arahina mampahomby ny tetik’asa. Mpisehatra miankina sy tsy miankina maherin’ny zato no nandray anjara tamin’ny famolavolana azy, tao anatin’ny enim-bolana.
« Laharam-pahamehana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara, ary mihamaro ireo mpisehatra manana risi-po hirotsaka amin’izany. Azo lazaina fa maro ireo asa santatra tsy mahomby, noho ny antony maro. Isany amin’izany ny tsy fampandraisana anjara ny vondron’olona ifotony, tsy fahampian’ny fanaraha-maso, tsy fahatomombanan’ny fandrindrana asa sy ny tsy fifampizarana fomba fanao mahomby » hoy ny avy ao amin’ny Indri, izay mandrindra ny Alamino. « Tena ilaina ny fandrakofana ala ny firenena ho fanavotana ny tontolo iainana. Tsy miandry mpanentana foana isika vao hanao izany. Zava-dehibe ny fadraisana anjara ao amin’ny ankohonana sy amin’ny fianakaviana ary fikambanana sy sehatra maro samihafa » hoy i Ando, manam-pahaizana mikasika ny tontolo iainana.
Efa nankatoavin’ny Ministera tokoa ireo fenitra navoakan’i Alamino. Dingana lehibe tokoa izany hanatratrana ny tajona ho fanamiatsoana ny firenena.
