France : Nodinihina ny volavolan-dalàna fanitarana ny « pass sanitaire » teo alohan’ny filankevitry ny minisitra
Nontosain’ny filan-kevitry ny minisitry ny alatsinainy teo ny fandaniana ny volavolan-dalàna misy ireo fepetra vaovao hiadiana amin’ny Covid-19. Tafiditra tamin’izany ny fanitarana ny « pass sanitaire » alohan’ny fizahana ataon’ny Parlemanta amin’ity herinandro ity noho ny fahatahorana ny valan’aretina.Navoaka herinandro tao aorian’ny fanambarana nataon’i Emmanuel Macron ny lahatsoratra izay mirakitra nampielezany bebe kokoa ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2022. Hatramin’ny fanambarana nataon’ny filoha kosa nefa dia efa an’arivony ny Frantsay nakany amin’ny vaccinodromes raha toa ka naneho ny hatezerany tamina fihetsiketsehina kosa ireo mpanohitra ny « pass sanitaire ».Miha-mitombo kosa nefa ny isan’ireo tranga vaovao. Raha ny tarehimarika navoakan’ny mpisahana ny fisalamam-bahoaka ao Frantsa ny Alahady teo dia 12 532 ny tranga hita tao anatin’ny 24 ora monja. Isa ambony indrindra amin’ny andro alahady nanomboka ny volana mey.
