ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Zaza 10 taona maty noho ny kaikitry ny alika « pitbull »

Tao Pentwyn, ao atsimon’ny Pays de Galles no niseho ity tranga ity ny herinandro lasa teo. Zaza 10 taona nandeha nilalao tany amin’ny tranon’ny mpiara mianatra tamin’ny no norombosan’ny alika « Pitbull ». 15 volana io alikan’ny namany io raha ny fanazavana ary nanomboka nanaitkitra azy tamin’ny faritra rehetra teny amin’ny vatany ary nitaritarika azy eran’ny trano.Ilay zazalahy kely nampiantrano azy kosa no nanaitra ny manodidina ary izy ireo no nampandre ny mpitandro ny filaminana. Marihina fa izy roa lahy irery no tao an-trano. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany ity zazalahy ity tao aorian’izay saingy tsy tana intsony ny ainy. Naneho ny alaelony tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook kosa ny reniny Emma Whitfield, 32 taona tao aorian’ny tranga.Nisy mpiasana tranom-barotra iray kosa nilaza fa andro talohan’io dia efa nanikitra olona iray teo amin’ny tànany io alika io rehefa nifatotra teo alohan’ny tranom-barotra niasany. Sendra mba niondrika nanafosafo azy fotsiny nefa io olona io hoy izy.

Laisser un commentaire