Etats-Unis : Mpianatra maromaro nihinana vatomamy nisy rongony
Zaza tao amin’ny ambaratonga fototr’i Washington D. C. ao Maryland no nihinana vatomamy nisy rongony tsy fatam-piaviana nanditra ny fakan-drivotra. Ankizy valo no voakasik’io raharaha io raha ny fanazavana, nanomboka nisalebolebo izy ireo tao aorian’ny fihinana ny vatomamy ka nozahana ara-pahasalamana. Teo no nahitana fa nisy rongony ny vatomamy nohanin‘izy ireo.Tsy misy hatahorana kosa ny ain’izy ireo hoy ireo tompon’andraikitra saingy efa misokatra ny fanadiadiana mahakasika ny niavian’ireo vatomamy ireo. Marihina ara-dalàna ny fihinana rongony ao Maryland raha misy antony ara-pahasalama sy nahazoana alalana. Tsara ihany no misava ny kitapon’ny ankizy vao alefa mianatra raha tojo izay tranga izay hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
