ActualitésTsidika

Voakasiky ny aretina ny soatoavina malagasy

Nanimba sehatra maro teto Madagasikara ny aretina Covid-19. Simba indrindra ny fahasalaman’ny vahoaka na ny ara-batana na ny ara-tsaina satria manjary mitebiteby ny vahoaka. Teo ihany koa ny ara-toe-karena sy fanabeazana, ary ihany koa ny ara-tsosialy sy ny maro hafa. Fa isan’ireo mitaraina ihany koa amin’izao vanim-potoana tsy azo hamoriana olona izao ihany koa ny mpandala ny soatoavina Malagasy indrindra ireo mpikabary. Tsy voahaja intsony ireo fombafomba isan-karazany mandritra ny lanonam-panambadiana hoy ny mpikabary. Tapaka vola miditra araka izany ireo mpikabary an-danonana ka mangataka fanampiana avy amin’ny fanjakana. Tsy vitsy tokoa mantsy ny mivelona amin’izany sehatra izany ankehitriny. Eo tokoa mantsy ny famerana ny famorian’olona ka vitsy ny fampakaram-panambadiana amin’izao. Ilay fomba tsy azo mandevina ny Talata sy Alakamisy aza, efa tsy asiana resaka intsony satria izay maty na andro inona na andro inona dia tsy maintsy alevina ny androtr’iny ihany indrindra ireo voan’ny aretina. Izay mahavangivangy tian-kavana, ankehitriny anefa ny mifamangy aza tsy azo atao intsony fa manafaingana ny fiparitahan’ny aretina. Hany ka izay tsy mahavangivangy indray no tian-kavana, tia ireo havana ka miaro azy tsy ho tratry ny aretina. Inona no vahaolana araka izany ? Hanadino ny soatoavina ve ka hanaraka ny toetr’andro sy ny aretina ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire