ConseilTsidika

Ri&Val : Ny Tsiro tena natoraly

Ny vokatra avoakan’ny RI&VAL dia vokatra natoraly Asa ny tanana niainga avy tamin’ireo vondrona tantsaha manodidina azy no vokariny. Izy ireo izay efa voataiza sy nahazo toromarika amin’ny famokarana ékôlôjika. Amin’ny maha natoraly azy dia vokatra voajanahary no vokariny izay mitondra fahavelomana sy faharanintan-tsaina ary herijika amam- pahasalamana tanteraka ho an’izay manjifa azy.

Ho fikajiana ny kalitaon’ny entana dia vokatra vaovao mandrakariva izay vokarina isan’andro no amidy, izay miainga avy amin’ny famokarana sy ny akora ifotony. Miala amin’ny fampiasana singa fitahirizana izay mety hiteraka tsy fahasalamana ho an’ny mpanjifa.

Natao ho sahaza ny sokajin’olona rehetra ary nokendrena hifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny olona sy ny mpanjifa nefa mitazona mandrakariva ny kalitao sy ny harena hoentiny ny vokatra. Satria laharam-pahamehana ny ankizy sy ny tanora noho izy ireo anio sy rahampitson’ny firenena dia ataonay antoka voalohany amin’ny famolavolana azy ireny ny sakafo ara-pahasalamana izay vokarina.

« Ny fanjifanao ny vokatray dia fandraisanao anjara sahady amin’ny asa sosialy ataonay » (fanarenana sy fanabeazana ary fitaizana ny olompirenena, fiarovana ny zaza sy ny vehivavy tantsaha, famerenana amin’ny ampahany ny loko maintson’i mdg).

Azo atao ihany koa ny manaraka ny pejy RI&VAL na miantso ny laharana 038 32 360 64 na ao amin’ny Rival.vatsy@gmail.com

Laisser un commentaire