ActualitésTsidika

Fampianarana: Mbola misokatra hatrany ny fisoratana anarana hidirana Master ao amin’ny IISS

Mbola tsy tara ireo tanora izay mbola andalam-pitadiavana ivontoera-piofanana hanohizana ny fianarana satria mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny Institut International des Sciences Sociales (IISS) indrindra ho an’ireo izay vao nahavita ny taona faha 3 na ny licence 3 ka hiditra ho Master.

“Hatrany hatrany izahay dia mbola manolotra ireto sampam-piofananana ireto hatrany. Dia ny “communication et société”, “management de projet”, “sciences conomiques”, “hygiene, sécurité, environnement et technologie” ary ny “mba finance”. Na izany ho an’ny Licence na ho an’ny master dia samy afaka manaraka ireo lalam-piofanana ireo avokoa. Hatramin’ny 31 martsa izao ny fisoratana anarana ho an’ny Master izay hatao ao amin’ny La Vallée Antsakaviro, Box n°2 hatrany”, hoy i Liva Razanajafy, tompon’andraikitra ao amin’ny IIISS.

Toeram-panofanana efa namoaka mpianatra maro ny IISS ary efa manana mpampianatra matihanina sy manam-pahaizana ampy traikefa maro amin’izany ka tsy mitsanga-menatra amin’izany ireo mpianatra eny anivon’ny orinasa.

Tsy maintsy manatanteraka ny fifaninanana hidirana hianatra izay rehetra misoratra anarana ka 20 000ar ny saran’izany fifaninanana izany. Ny taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana kosa dia taratasy manambara ny fahazotoana (lettre de motivation) 1, dika mitovy ny diplaoma voamarina 1, ny taratasin’ny naoty tamin’ny taona fahatelo (L3) ary ny CV. Izany rehetra izany hatao anaty valopy mihidy.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire