Bebe Marie Margueritte : Horaisin’ny Ministera an-tanana ny fikarakarana ny taniny, izay misy mibodo
Dépêche 03 mars, 13h30, Raha ny vaovao voaray dia mpanofa ny taniny ihany no nibodo ny tanin’i Bebe Maria. Efa niakatra fitsarana ny raharaha, saingy resy izy ireo tamin’ny farany. Nandritra ny fandehanan’ny Minisitry Fanajariana ny tany sy ny Fananantany teny anivon’ny Birao misahana izany no nahafantarana ny marina tamin’ny tanataran’ity ramatoa be ity. Araka izany dia ho raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny momba ny tanin’ny Bebe Marie Margueritte. Tsy ny azy irery ihany fa efa maro ireo mitaraina amin’ny fibodoana tany toy izany ka tokony hojerena akaiky avokoa izany rehetra izany.
