Voasambotra ilay mpamano olona
08 Jona, 14h05. Zazavavikely, Marie Jady Razanatsoa, 3 taona, no novonoin’ny lehilahy iray tao Beanana Atsimondrano, distrika Andapa ny Alahady lasa teo. Zana-badiny ihany anefa io zaza io. Vokatry ny daroka mafy sy kaikitra maro amin’ny vatany no nahafaty azy. Disadisa noho ny adin’ny mpivady no nahatonga ny vono olona izay tany amin’ny ankizy no nifatratra. Efa voasambotra ankehitriny ilay nahavanon-doza tany Ambodiangezoka Sambava ary eo am-panaovana famotorana ny polisy.
