Fanampiana ho an’ny Masera Fille de la Chrité Ihosy
08 Jona; 12h45. Tonga soa aman-tsara any amin’ireo masera « Fille de la Charité » Ihosy ny fanampiana bnampanantenin’ny Filoham-pirenena azy ireo. Tsy tao anatin’ny fandaharan’asa ny filoha tany Ihosy mihitsy izao fa raha iny nandalo ny vavahadin’izy ireo iny ny Filoham-pirenena no nananmbaran’ny masera ny hatsika ataony ary nanome toky ity farany fa hanampy. Noraisin’ny Filoha Rajoelina an-tanana tahaka ny fanampiany ny Akany eny amin’ny Akamasoa tarihan’i Pere Pedro ny fanampiany ity ivon-toerana tantanan’ny masera ao Ihosy ity. Hitohy hatrany io fanampiana io araka ny efa nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tany an-toerana.
