Mahafehy ny firongatry ny aretina i Madagasikara
08 Jona, 12h00. Tafiditra ho anisan’ny firenena nahavoafehy ny firongatry ny valanaretina Coronavirus i Madagasikara araka ny tatitra navoakan’ny Governemanta Frantsay, izay nalaina tamin’ny fanaraha-maso ny OMS. Noho izany dia voasokajy amin’ny firenena loko volomboasary i Madagasikara izay loko manamarika fa nahavoafehy ny aretina tahaka ireo firenena maro be hafa maneran-tany. Ny fanarahan’ny vahoaka an-tsakany sy an-davany ny fepetra napetraky ny mpitondra fanjakana ao amin’ilay firenena hahitana ny fitomboan’ny firongatry ny valanaretina, ary ny paikady nahomby napetraky ny mpitondra ao amin’ilay firenena no nahafahana nilaza na voafehy na tsy voafehy ilay valanaretina ao amin’ilay firenena iray.
