Dépêches

FIBA : Nanolotra fiofanana ho an’ireo mpanazatra

10 Aogositra, 16h15, Tao anatin’ilay fifaninana Afrikanina ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona amin’ny taranja Basketball, dia nanolotra fiofanana ho an’ireo mpanazatra ny FIBA, notarihin’ny mpanazatra matihanina Cheikh Sarr, izay notontosaina omaly 09 aogositra. 41 no isan’ireo mpanazatra nanatrika izany fiofanana izany, ny 16 amin’izany dia mpanazatra avy ao Antsirabe, ny 25 kosa mpanazatra avy amin’ireo firenena mandray anjara amin’ny Afrobasket U18 izay atao eto Madagasikara ity. Tao amin’ny kianja Vatofotsy Antsirabe no nanatanterahana izany fiofanana izany.

Laisser un commentaire