Mitohy ady amin’ny zava-mahadomelina
15 Jolay, 09h21. Toaka gasy 200 litatra no saron’ny zandary avy eo Behenjy ny 14 jolay teo. Nafenin’ireto mpitondra azy tao anaty gony feno arina ny bidons nisy ny toaka izao tratran’ny mpitandro filaminana izao ihany. Ny toaka gasy moa dia mbola toaka voarara eto amin’ny firenena.
