Hisitraka ny vatsim-pianarana enim-bolana ny oniversite Itasy
16 Jolay, 08h10. Nitondra teny avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrika Itasy nanoloana ny fangataham-panazavana takian’ny mpianatra ny amin’ny fanangonana toro ara-kajy mirindra amin’ny « digitalisation ». Nanambara ny Ministera fa efa vita soa aman-tsara ny fanangonana ny mombamomba ny mpianatra avy ao amin’ny Oniversite Itasy ary miisa 943 ny mpianatra hisitra ny vatsim-pianarana enim-bolana any amin’ny Paositra Malagasy. Tsy izay ihany fa efa an-dalam-pandraisana mpampianatra eny anivon’ny anjerimanontolo izy ireo amin’izao. Ary nilaza ihany koa ny Ministeran’ny atnora sy ny Fanatanjahan-tena fa efa ho vita ny fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana any an-toerana.
