Dépêches

Naina Andriantsitohaina : Misokatra ny fanadihadiana

Dépêche 14 novembre, 14h, Nanambara ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra tao amin’ny kaonty manokany fa nisy nifofo ny ainy ny alahady maraina teo. Nanatanteraka fitsidihana ny tanàna toy ny fanaony rehefa alahady izy no tratran’izany loza izany. Tafatsoaka ihany izy sy ny ekipany raha nisy fahasimbana ny fitaratry ny fiara nentiny. Misokatra ny fanadihadiana izay marihina fa nolazainy fa lehilahy roa nitondra « scooter » no nahavanona ny loza. Melohina hatrany ny fifofoana ain’olona na amin’ny fomba ahoana, na nahomby na tsia. Maro ny olona miatrika zavatra toy izany ka tokony handraisana fepetra hentitra fa tsy rehefa olom-panjakana irery ihany.

Laisser un commentaire