Ambohimalaza : Tovolahy miisa 5 tratran’ny zandary teo ampifohana rongony
Noho ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny fifohana rongony, izay ataon’ny zandarimaria ao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tovolahy miisa 5 no tratran’ny zandary avy ao an-toerana teo am-pifohana rongony. Tamin’ny herinandro lasa teo no nisehoan’izany. Araka ny voalaza, mipetraka ao amin’ny tanàna atao hoe Fiadanana izy ireto. Mbola tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny rongony nofohan’izy ireo nandritra izany.
« Manao ezaka hatrany ny zandary amin’ny fanenjehana ireo mpanao tsy ara-dalàna sy miteraka tsy fandriampahalemana tahaka izao. Hisaorana ireo vahoaka amin’ny fanomezana loharanom-baovao ary mbola manentana hatrany amin’ny fiaraha-miasa mba hampanjakana ny fandriam-pahalemana eto Ambohimalaza » hoy ny avy ao amin’ny zandarimaria.
« Rehefa manao ezaka tahaka izao ny kaomandin’ny brigady dia tokony tohizana hatrany izany mba hanamafisana ny fandriamapahalemana. Tokony hamafisina ny fanenjehana ireo mpidoroka sy mpanaparitaka zava-mahadomelina ireo satria ireo no miteraka fikorontanana sy tsy fahandiampahalemana ety ifotny » hoy i Mamy, mponina ao Ambohimalaza.
Tsara marihina, efa notanana tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimalaza ireo mpifoka zava-mahadomelina ireto, natao famotorana ary notanana am-ponja vonjimaika mandrapahatongan’ny fitsarana azy, araka ny voalaza hatrany.
Manitra Ramanantsoa
