ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy: Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona iray

Nisehoana lozam-pifampivoizana teo amin’ny fiantsonan’ny zotra 192, ny alarobia teo. Olona iray no namoy ny ainy vokatr’izany ary maro ihany kao ireo naratra, araka ny voalaza.

“Tampoka no nitrangan’ny loza. Ity toerana ity ihany koa dia mampidi-doza satria tena tery kanefa maro mpivarotra sy mpifamezivezy. Izao olona tsy manan-tsiny, izay saika hanidy vavahady no namoy ny ainy” hoy i Sariaka, nanatri-maso ny zava-misy.

“Mila jerena akaiky ary andraisana fepetra manokana ny mahakasika io toeram-piantsonana io. Be loatra ny manohitohina fifamoivoizana eo, ny zotra H, ny zotra 192, ny olona mijanona, ny tsena amoron-dalana ary indrindra ireo olona mpisotro ao amin’ny manodidina eo izay mametraka fiara mibahana ny lalan” hoy i Nasolo, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Ilaina hatrany ny mitandrina sy mampanara-dalana ho an’ny rehetra. Manoloana ity tranga ity moa, dia nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ny manamanjo ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

Manitra R.

Laisser un commentaire