Etats-Unis : Ho avy ao Hawaï ny filoha Joe Biden
Raha ny fanamabaran’ny Maison Blanche dia ho avy ao Hawaï ny filoha Joe Biden ny alatsinainy izao manoloana ny voina sedran’ny vondronosy. Raha tsiahivina dia ao anaty fisaonana tanteraka i Hawaï manoloana ny tranga fahamaizana goavana tao an-toerana izay nahafaty olona 110 isa. Raha ny tatitry ny manam-pahefana tao an-toerana dia heverina fa mbola hiakatra izany antontan’isa izany.
Mbola mitohy ny fikarohana ireo razana ao an-toerana, indrindra ao Lahaina raha ny fanamafisana. Marihana fa i Lahaina dia tanàna manan-tantara ao amin’ny nosy Maui saingy ravan’ny afo hoy ny Deanne Criswell, lehiben’ny Fema (agence fédérale chargée de la réponse aux catastrophes naturelles).
Nisy kosa ny fanamelohana ny manam-pahefana manoloana ny tsy nanenoin’ny fanairana saingy nilaza ny tompon’andraikitry ny Ema (agence chargée de la gestion des crises), Erman Andaya fa rehefa tondradrano ihany izany no hampanenoina ary efa nanao fanairana tamin’ny haino aman-jery izy ireo. Marihana fa mbola tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo.
