France : 54% amin’ny mponina no afaka mampian-trano ireo mpitsoa-ponenana avy any Afghanistan
Mpitsoa-ponenana maherin’ny 2 000 no tonga ao France, misy teratany Français, vahiny manana zom-pirenena hafa ary Afghan. Miteraka savorovoro ao an-toerana nefa ny fahatongavan’ireo afghan noho ny tsy fahandriam-pahalemana mety aterak’izy ireo.
54% ny mponina ihany no manaiky ampiantrano ireo afghan ireo raha ny fanadihadiana nataon’ny CSA vondrona mpikaroka iray. Ny tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 24 no mazoto kokoa amin’ity fampiantranoana ity raha hoarina amin’ireo manodidina ny 35 hatramin’ny 64 raha ny fanazavana. Ny 76% amin’ireo vonona ireo kosa dia avy amin’ny mpikatroka ankavia avokoa hoy i Julie Gaillot avy ao amin’ny CSA.
