Royaume-Uni : Zazavavy 7 taona sy ny ray aman-dreniny no hita faty tao anaty sekoly iray
Vehivavy iray antsoina hoe Emma Pattison, 45 taona sy ny vadiny George, 39 taona ary ny zanany vavy 7 taona no hita faty tao amin’ny sekoly iray tao atsimon’i Londres. Raha ny fantatra dia tale tao amin’io sekoly io ilay renim-pianakaviana.
Maty voatifitry ny basy kosa izy telo mianaka ireo ary mbola hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny tranga ilay basy namonoana azy ireo. Raha ny fanazavana kosa dia mbola nahavita niantso vonjy antaroby ny havany i Emma Pattison saingy mandrapahatonga azy ireo tao amin’ny sekoly dia efa vata-mangatsiaka ny novantaniny.
Rehefa natao kosa ny fanadihadiana dia fantatra fa ilay raim-pianakaviana no nitifitra azy mianaka talohan’ny namonoany ny tenany. Tsy fantatra mazava kosa ny anton’izany.
