SocialTatitra

Chine : Olona roa no maty nandritra ny faharendrehan’ny sambo

Olona roa no namoy ny aina, tao amin’ny ranomasina pacifique, vokatry ny faharendrehan’ny sambo iray tao akaikin’ny nosy Kinmen, morontsirak’i Taiwan. Araka ny voalaza, fifanenjehana teo amin’ireo mpiandry sisin-tany Taiwanais no nahatonga ny loza. Tazan’ireto farany tao amin’ny fari-dranomasina tsy azo aleha intsony ity sambo nentin’ny sinoa ity, ka nampihatra ny lalàna amin’ny fanenjehana azy ireo sy ho fiarovana ny sisin-taniny ka niafara tamin’ny faharendrehan’ny sambo ka nahafatesana olona roa izao.

Taorian’izay, nanamafy ny fisafoana tao amin’ny fari-dranomasin’i Taiwan i Chine ; ary ny alatsinainy teo, niditra tao amin’ireo sambo taiwanais ireo mpiandry sisi-tany sinoa mba hanamarina ireo voarakitry ny tan-tsambo sy ny mpandeha tao anatiny. Miantso ny fanjakana sinoa mba hanaja ireo lalàna napetraka mifehy ny sisin-tany roa tonta araka izany i Taiwan. Efa hatramin’ny taona 1992 moa no efa samy nanana ny sisin-taniny sy ny toeram-panjonoana ny firenena roa tonta.

Laisser un commentaire