ActualitésTatitra

Israel : Fa maninona no miady i Israël sy i Palestine ?

Ny « conflit israélo-palestinien » dia manondro fifandirana eo amin ‘Israël sy ny Palestine ao amin’ny Proche Orient. Firenena roa no mifandona ao anatin’izany dia ny nasionalista jiosy na Zionaisma sy ny nasionalista arabo palestinianina.

Matanjaka ao anatin’io fifandonana io ny ara-pinoana. Antony maha zava-dehibe ny faritra hiadivan’izy ireo izany, indrindra moa i Jérusalem, noho ireo fivavahana telo “monothéistes” na fivavahana amina Andriamanitra tokany sy ny ny famaritana an’i Israël ho fanjakana jiosy noho ny jiosy maro an’isa noho ireo Palestiniana islamo.

Efa hatrany amin’ny fe-pitondran’ny Britannique no nisy io fifanoherana teo amin’ny arabo tamin’ny Zionaisma io, tamin’ny alalan’ny fikomiana sy ady ary tolona teo anelanelan’ny taona 1936 sy 1939. Tao aorian’ny ady lehibe faharoa kosa no nikomy ny jiosy.

Rehefa tsy voafehin’ny Britannique intsony izany dia nomen’ireo ny Firenena Mikambana ny fitantanana. Nanapa-kevitra ny fitsinjarana an’i Palestine izy ireo ny volana novambra 1947 ary izany fanampahan-kevitra izany no niatarika ny ady israélo-arabe voalohany.

Laisser un commentaire