Ambohimangakely : Hetsika maro no hita teny amin’ny rocaden’Iarivo
Notontosaina teny amin’ny rocaden’Iarivo ny fanolorana ireo fitaovana entina hanadiovana faritra ho an’ireo lehiben’ny fokontany manamorona ny Rocade. Nisy hetsika sy fanentanana maro ihany koa teny an-toerana.
« Hetsika maro no natao teto, toy ny fanatanjahantena. Eo ihany koa ny fanentanana mikasika ny fikajiana ny tontolo iainana, ary indrindra ny fanadiovana sy ny fambolen-kazo. Azon’ny fokontanin’Amoronakona (kaominina Ambohimangakely) ny amboara tamin’ny hazakazaka mifampitohy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Nahafinaritra tokoa ny hetsika. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny fikajiana ny tontolo iainana » hoy i Lanto, mponina ao Ambohimahitsy Ambohimangakely.
Tonga nanatrika ny hetsika ihany koa ireo Minisitra ao anatin’ny sehatra. Mitohy hatrany ny hetsika ho fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
